Fampianarana

Mpiasan’ny sekoly tsy miankina Misy efa ho 5 volana no tsy nandray karama


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Velon-taraina koa ireo mpanabe sy mpampianatra amin’ireo sekoly tsy miankina, indrindra, ireo antsoina mahazatra hoe “chargé de cours” satria ny ora hiasany ihany no hanomezana vola azy ,

 

 

 

 

 raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra amina sekoly tsy miankina iray eny Ambohimanarina. Tsy misy ny asa ka noho izany dia tsy misy ny ho raisina, ny ray aman-drenin’ny mpianatra tsy mandoa saram-pianarana satria ny zanany ary tsy mbola mianatra. Aleon’ireo ray aman-dreny hanaovana tahiry aloha ny saram-pianarana. Saika miatrika izany olana izany avokoa, raha ny fanazavana, ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina, raha tsy hiresaka afa-tsy ny eto Antananarivo fotsiny, hoy ny fanazavana. Misy amin’ireo mpampianatra sy mpanabe no efa ho 5 volana izao no tsy nandray karama vokatry ny hahamehana ara-pahasalamana. Mitaraina amin’ny fitondram-panjakana noho izany izy ireo mba hijery izay azo atao hanavotana izay fanabeazana eny amin’ny sehatra tsy miankina izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT