Mpianatry ny sekoly Maria Mpanampy

Nentanina hanana kolontsain’ny fandraharahana


  • Zoma 12 Aprily 2024

Nahazo fanentanana avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE)

ny mpianatry ny « Sekoly Maria Mpanampy tetsy Soanierana Ambony”omaly Alakamisy 11 Aprily. Miezaka ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana mandray anjara eo amin’ny fanabeazana ny tanora dieny any an-tsekoly mba hahaizan’ireto farany mikolokolo ny toe-tsaina mandraharaha. Ireo mpianatra miisa 450 mianadahy ao amin’ny kilasy faharoa sy voalohany ary famaranana no nisikatra izany fampahafantarana sy fizarana momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny orinasa kaoperativa izany. Tsikaritra fa liana ny tanora ankehitriny ary tsy vitsy an’isa izy ireo no efa manana vina handraharaha. Tombony lehibe ny fizarana bebe kokoa ny mikasika ny orinasa kaoperativa satria maro ireo nihevitra fa ny fiara fitateram-bahoaka ihany no atao hoe : kaoperativa. Niampy ny fahalalana azon’ny mpianatra manoloana izany.
Pati
Legende : Ireo mpianatra nanaovana ny fanentanana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT