Tezitra sy diso fanantenana amin’ny fanjakana ny mpianatry ny anjerimanontolon’Antananarivo ankehitriny.
Ny herinandron’ny 8 janoary teo no nampantenaina fa hivoahan’ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana, araka ny nambara tany amin’ny volana desambra. Tsy izay anefa no niseho ka maro ny velom-panontaniana hoe fampanantenana poakaty sy fampandriana adrisa ny mpianatra ve no nataon’ny minisitera tompon’andraikitra ? Nanomboka tamin’iny herinandro iny, dia efa raikitra ny fifanentanana isan-karazany amin’ny hanaovana fitokonana hanairana ny fanjakana noho ny tsy nahatazonany ny teny nomeny, ka raha tsy misy ny sampona dia ho raikitra indray ny fitakiana manomboka anio alatsinainy 15 janoary. Raha toa kosa ka mivoaka ny tetiandro hizarana io vatsim-pianarana io, dia azo antoka ny tsy hisian’ny fitokonana. Ao anatin’ny fotoam-panadinana ny mpianatra amin’ny sampam-piofanana sasany, toy ny ao amin’ny siansa amin’izao fotoana izao, ka raha raikitra tokoa ny fitokonana dia inoana fa mety ho avy ny fandravana ny fanadinana. Mananontanona indray izany ny korontana eny amin’ny anjerimanontolo. Raha ny fanadihadiana natao moa, dia vatsim-pianarana 5 volana no voarain’ny mpianatra hatramin’izao, ka ny 4 volana izany no tsy azo. Misy anefa ireo efa nianatra manodidina ny 10 volana, toy ny ao amin’ny fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siansan’ny Maha olona. Efa somary mamaramparana ny taom-pianarana aza ny ao amin’ity fakiolite ity, ka hanomboka efa miroso sy hiroso amin’ny fanadinana ny ankamaroan’ireo sampam-piofanana. Mananontanona ny fikatsoana sy ny fihemorana, raha tsy misy ny vahaolana haingana. Etsy an-daniny ihany koa anefa, dia tsiahivina fa nanamafy ny fitohizan’ny fitakiany ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra ny faran’ny herinandro teo. Manambana ny tsy hamoaka ny valim-panadinana mihitsy izy ireo, raha tsy misy ny valiny mahafa-po ny fitakiany. Niantso ny tsy hanaovana sorona ny mpianatra sy ny fampianarana moa ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananera Marie Monique. Izy anefa no anisan’ny fanalahidin’ny famahana ny olana, saingy mety efa ho lava ny fampanantenana lava sy ny fampandriana adrisa ny rehetra, ka samy mihetsika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.