Fampianarana

Mpianatry ny oniversite Mitaky fampiakarana 100% ny fampitaovana


  • Alarobia 17 Mey 2017

Nivoaka ny faritry ny oniversite amin’izay nanomboka omaly tamin’ny 10 ora ireo mpianatry ny oniversiten’Antananarivo ary tonga nanatevin-daharana azy ireo koa ireo mpianatry ny polyteknika eny Vontovorona.

 Tsy ampy amin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ny rafitra LMD intsony, raha ny fiheveran’ireto mpianatra ireto azy ny fampitaovana 66 000 ariary izay efa niainana hatramin’ny rafitra teo aloha. Nitaky ny hampiakarana 100% izany sy ny hahazoana maimaimpoana ny teknolojia ankehitriny (connexion gratuit), araka izany, ireto mpianatra ireto. Nandeha ny horakoraka sy ny tora-bato ary tsy nirava ny hetsika raha tsy efa tany amin’ny 1 ora sasany tolakandro tany ho any rehefa naparitaky ny etona mandatsa-dranomaso indray. Nisy moa io omaly io ny fifampiresahan’ireo solontenan’ny mpianatra sy ny minisitry ny fampianarana ambony, Monique Rasoazananera, ary miankina amin’izay ny ho mety ho tohin’ny hetsik’ireto mpianatra ireto, raha ny fanazavana.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT