Fampianarana

Mpianatry ny IT University Hiatrika ny “WebCup International” atsy La Réunion


  • Talata 08 Mey 2018

Namiratra indray ny sekoly ambony tsy miankina IT University tamin’ny fifaninanana goavana momba ny famoronana tranonkala na ny “WebCup Madagascar 2018”, izay natao ny 5 sy ny 6 mey teo.

 

Fifaninanana iraisam-pirenena mifototra amin’ny famoronana tranonkalam-pifandraisana ao anatin’ny 24 ora tsy miato ny “Webcup”, izay misokatra ho an’ireo tanora sy mpianatra mikirakira ny infôrmatika sy ny teknolojia vaovao, ka misy ny lohahevitra hanompanana ny fifaninanana. Lalana iray hahafahana miatrika ny “WebCup International” hatao any La Réunion ny volana novambra 2018 izao izy io. Dingana lehibe nenti-nanomanana ny dingana farany, hatao atsy amin’ny Nosy La Réunion izany no vitan’ny IT University. Ho fankasitrahana sahady ny ekipan’ny “In Touch team”, avy amin’ity Oniversite izay nahazo ny vokatra tsara indrindra ity, dia notolorana vola 2 000 000Ar izy ireo. Firenena 7 hafa ankoatra antsika kosa, dia Maorisy, La Réunion, Seychelles, Mayotte, Rodrigues, Comores ary Burkina-Faso no hifanandrina amin’io dingana famaranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io. Efa fanta-daza hatry ny ela amin’ny famiratana amin’ireny fifaninanana iraisam-pirenena ireny ny mpianatry ny IT University, raha tsy hilaza afa-tsy ny namirapiratan’i Kevin Rabefaritra tamin’ny fifaninanana mamorona rindram-baiko na “Logiciel” tamin’ny alalan’ny “Africa Challenge Dev App” ny taona 2015. Sangany eto Madagasikara raha resaka fanofanana momba ny informatika sy ny teknolojia vaovao, ka ikoizan’ny matihanina manerana ny Nosy sy hatrany ampita ny fahazain’ireo tanora mivoaka avy ao amin’ity oniversite tsy miankina manana ny foibeny eny Andoharanofotsy ity.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT