Fampianarana

Mpianatry ny INSCAE sokajy “AINA” Nanao asa sosialy teny Andoharanofotsy


  • Zoma 24 Novambra 2017

Tsy mikely soroka amin’ny fanaovana asa sosialy ho fanasoavana ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona ny sekoly ambony INSCAE (Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration d’Entreprises).

 


 Ankoatra ny fiofanana any an-tsekoly, dia amporisihina dieny izao ny mpianatra hampihantra ny zavatra norantovina, mba ho fandraisana andraikitra sahady amin’ny fampandrosoana sy ny fanasoavana ny fiarahamonina miainga amin’ny asa sosialy. Tafiditra ao anatin’ny toe-tsaina tokony hananan’ny olona mpitantana na ilay antsoina hoe “comportement du manager”, izay ampianarina azy ireo izany, ka avadika ho asa. Nanao izay adidiny izay ny mpianatra mandalina ny sehatry fitantanana ao anatin’ny andiany faha-34, taona faharoa, sokajy “Aina”. Miisa 6 mianadahy izy ireo no mivondrona ao anatin’io sokajy “AINA” io dia: HARSON Judianna Voniala Gaëlle, RABEMANANA Rijavola Sarah, RALAMBONIRINA Natacha, RAMAROLAHY Sergio, RASOAMBOLANORO Narindra Ange ary RAVONIARISON Faramiamina.  Ny Kaominina Andoharanofotsy no nosafidian’izy 6 mianadagy nanaovana asa sosialy, ka nisy ny fandokoana ny Biraon’io kaominina izay izy ireo no nirotsaka an-tsehatra nanao izany. Nizarana kifafa, lapelina, ary sobika ny fonkontany miisa 6 teny an-toerana, ka 2 avy tamin’ireo fitaovana ireo no azon’ny isam-pokontany, ary ny tompon’andraikitra teo anivon’ny kaominina no nandray azy ireo tamin’ny fomba ofisialy omaly 23 novambra. Tanjona ny hanomezan-danja ny fahadiovana sy mba hitarihana ny olona hitia sy hanaja izany mba hisorohana ny valanaretina maro, toy ny pesta. Niara-niasa tamin’ny ONG  ENDAOI izy ireo tamin’ny fanatanterahana io asa sosialy io. Nanohana ara-bola azy 6 mianadahy kosa ny banky lehibe iray eto amintsika sy ANDRIAMANGA Herivelo, Filohan’ny Klioban’ny baolina kitra Jet Mada. Hafatra apetrak’izy 6 mianadahy ireto moa ny hoe: “Tsy voatery hiandry zavatra be vao mandray andraikitra, fa azo atao tsara ny manomboka amin’ny kely eo am-pelantanana”. Maro ny olana fa mila fandavan-tena sy fikirizana, raha te hahavita zavatra, ka tokony hanana izay fomba fijery izay ny tanora sy sarambembam-bahoaka mihitsy.


Nangonin’I Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT