Fampianarana

Mpianatry ny INSCAE Manasoa hatrany ny mpiara-belona


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Fanaon’ny mpianatra ao amin’ny INSCAE (Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration d’Entreprises) no manao asa sosialy ary ny mpianatra mihitsy no manatanteraka izany ho fanasoavana ny vahoaka sy ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo ao anatin’ny fahasahiranana.

 Notanterahin’ny fikambanana mpianatra "Nify Salama" ny sabotsy 11 novambra 2017 ny anjara adidiny nanolorany fanampiana ho an’ny sekoly tsy miankina Mitsimbina ao ao amin’ny kaominina Soalandy Ankadivoribe. Nisy ihany koa ny fandokoana ny sekoly, fanolorana fitaovam-pialamboly ary fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra. Teo andanin’izay, nisy ny fotoana natokany nampianarana ny kilasy manomana ny CEPE sy nizaràny ny soa sy anatra rehetra mba hizoran’ireo ankizy amin’ny lalana tokony halehany. "Ny fianarana no lova tsara indrindra, ary harena sarobidy sady mavesa-danja". Izany no hafatra napetrak’ireo mpianatry ny INSCAE dia Rajaonah Daniel, Randriamorasoa Jemima, Rajaonarivony Fy, Randriamialison Rovatiana, Rakotonanahary Fenitra, Andriamampiadana Princy sy i Andriatsitohaina Luciano tamin’ireo zandriny ireo. Teo am-pamaranana dia nilaza ihany koa izy ireo fa "Tsara raha isika Malagasy no mifanasoa sy mifanampy, fa izany no tena fampandrosoana". Tsara halain-tahaka ny tahaka izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT