Fampianarana

Mpianatry ny ENS andiany faha-6 Mihisatra ny fandraisana ho mpiasam-panjakana azy ireo


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nivoaka ny 15 Janoary lasa teo ny ny isan’ireo mpianatra ôfisialy nahavita fianarana andiany fahaenina tao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpampianatra na ENS (Ecole Normale Supérieure) etsy Ampefiloha raisina ho mpiasam-panjakana.

 

 

 Miisa 627 izy ireo saingy ny nahavariana raha araka ny tafa nataon’ireo mpianatra tamin’ny mpanao gazety omaly dia miisa 201 monja no nahazo contrat sy décision avy amin’ny Fitondram-panjakana. Ny 110 mbola eo an-dalam-pikarakarana raha tsy nahazo na inona na inona mihitsy ny 316 isa. Takian’ireto mpianatra nivoaka tao amin’ny sekoly ambony ENS ireto araka izany ny hamoahan’ny fanjakana ny décision sy ny contrat-n’izy ireo farafahatarany amin’ny faran’ny volana novambra ho avy izao. Tsy hanaiky ny hiandry ireo andiany fahafito izahay hoy izy ireo, omaly, tamin’ny alalan-dRamatoa Rabaonomenjanahary Regine, mpitondra teniny. Nomarihin’izy ireo moa fa raha tsy mivaly hatramin’io faran’ny volana novambra io ny fangatahany dia hiantso mpanao gazety hatrany izy ireo hampahafantatra ny olana sedrainy. Miantso ny Filoham-pirenena ihany koa izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT