Fampianarana

Mpianatr’i Vontovorona Voadaroka lakrimozena ihany koa


  • Talata 10 Jolay 2018

Resaka vatsim-pianarana, tsy fivoahan’ny karaman’ny mpampianatra sy ny olana hafa noho ny rafitra LMD, izay tsy arahina fepetra mifanaraka amin’izany no nampitroatra ireo mpianatra teny amin’ny Politeknika Vontovorona omaly.

Misy diploma takiana ho an'ireo mpampianatra afaka mampianatra isan'ambaratongany, indrindra fa ho an’ireo miandraikitra mpianatra manomana “mémoire”. Ny mpampianatra tsy ampy, ny fanjakana tsy mandefa ny mpampianatra hiofana, ireo manana diploma tsy voaloa ny tambin-karama amboniny. Tsy mahazo mitana mpianatra mihoatra ny 4 hanao “mémoire” ny mpampianatra iray, kanefa hatrany amin’ny 800 ireo mpianatra taona faha-5 mila izany. Kolikoly no hiafarany ary mety hiandry an-taonany maro izany vao mety hahavita “mémoire”, ka mahatonga azy ireo manao fitakiana, saingy baomba mandatsa-dranomaso no setriny. Eny anivon’ny  anjerimanontolon’Antananarivo  dia ampahatsiahivina fa nanome fe-potoana hatramin’ny rahampitso 11 jolay hivalian’ny fitakiana samihafa, toy ny resaka vatsim-pianarana, fanesorana ny “agent comptable”,... ny mpampianatra, mpandraharaha, mpianatra. Lakrimozenina aloha ny setriny ny 3 jolay teo. Nahazo ny anjarany ihany koa ny mpampianatra nitokona teny amin’ny minisiteran’ny fanabeazana ny 5 jolay, ary iny omaly iny koa ny teny Vontovorona izay midika fa tsy mitsitsy mihitsy ny Emmo-Reg. Ho an’ny anio dia hanao fivoriambe ireo mpianatra eny Vontovorona, ary ao anatin’izay no hamaritana ny tohin’ny fitakiana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT