Fampianarana

Mpianatr’Ankatso sy ny mpampianatra Tsy nifampiantso hitokona izany


  • Talata 08 Oktobra 2019

Manoloana ny feo mandeha fa hampiantso mpianatra hiaraka hanao fitokonana aminy anio ny Seces dia nanao fanambarana

ny solontenan’ireo mpianatra fa mikasika ny fitakiana ataon’ireo rafitra rehetra eny amin’ny anjerimanontolo na mpianatra na mpampianatra na mpandraharaha dia tokony hahaleotena izy ireny amin’ny fitakiana ataony. Tsy azo ekena ny fidiran’ny sehatra tsy voakasika ao, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eo anivon’ny MAFAMI Ambohipo, Tsilavina Harilala. Ny mpampianatra, ohatra, dia tsy tokony hanao fitaovana ny mpianatra na mpandraharaha. Ny tiana ahatongavana dia aoka tsy hifampijabaka. Mandeha ankehitriny ny siosion-dresaka fa hampiantso mpianatra ny Seces ho ataony fitaovana, hoy ny mpitondra tenin’ireo mpianatra, Maurice Rakotonirina. Tsy misy idiran’ny mpianatra ny fitakian’ny Seces ary toy izany koa ny an’ny mpianatra saingy rehefa misy kosa ny tombontsoa iombonana ao anatin’ny fitakiana dia afaka mifanaraka sy mifanohana ny rehetra. Isan’izany, ohatra, ny resaka kianjana Golf tamin’ny fotoan’androny, hoy izy. Samy nanamafy moa na ny Seces na ireto mpianatra ireto omaly fa tsy nisy izay fifampiantsoana izay.

J. Mirija

Légende : Ny solontenan’ireo mpianatra nanao fanambarana teny Ankatso omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT