MPIANATRA NIANTOHAN’NY STAR

Nivoaka ny andiany voalohany 4 mianadahy


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Nahavita ny fianarany ireo nahazo vatsim-pianarana andiany voalohany

tamin'ny programa Etoiles montantes star, nokarakarain’ny orinasa Star. Tontosa ny zoma lasa teo tao amin’ny foiben’ny STAR ny famoahana azy ireo tamin’ny fomba ofisialy, izay natrehan’ireo ray aman-dreny, sady mpiasan’ny STAR. Ny taona 2018 no novolavolaina tao anatin’ny programa Etoiles Montantes izy ireo, izay natao manokana ho an’ireo zanaky ny mpiasa nahazo naoty tena tsara tamin’ny fanadinana bakalorea entina hanosehana azy ireo handeha lavitra kokoa amin’ny fianarany. Toraka izany koa ny mba hanamaivanana ara-pitaovana sy ara-bola ny ray aman-dreniny amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony. Nahazo fitaovana sy vatsim-pianarana tamin’ny toeram-pianarana nosafidiny hatramin’ny faran’ny fianarana taona fahadimy teny amin’ny ambaratonga ambony izy ireo ary koa fianarana asa ao amin’ny STAR raha mifanaraka amin’izay zava-misy ao ny fianarana noratovon’ilay mpianatra.Nanamarika ny faha-5 taona nisian’ny programa no sady namoaka ireo andiany voalohany tamin’ny fomba ofisialy ity orinasa ity. Mpianatra vaovao miisa valo hafa koa no natolotra ho mpisitraka vaovao ho an’ny taom-pianarana manaraka. Amin'izao fotoana izao, ny programa "Etoiles Montantes STAR » dia ahitana mpianatra zanaky ny mpiasa 10 manohy ny fianaray ary valo hafa vao niditra. Tanjon’ny orinasa ny hampiroborobo ny hasarobidin’ny asa sy ny fahamendrehana, tsy eo amin’ny mpiasa ihany fa eo amin’ny zanany ihany koa.
Pati
Legende : Ireo mpianatra notolorana mari-pankasitrahana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT