Fampianarana

Mpianatra mijanona ao an-trano Nanome torohevitra ny minisitra


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Maro ny zavatra azo atao mandritr’izao fotoana tsy hisian’ny fampianarana any an-tsekoly izao, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rijasoa Andriamanana Josoa. Isan’izany ny famakiam-boky toy ny tantara sy angano, ny lalao isan-karazany, fijerena fahitalavitra, fijerena sarimihetsika na horonan-tsary.

Tsara, hoy izy, raha hanitaran-tsaina ireny rehetra ireny, izany hoe, hifandinihana, ohatra, ny lesona azo tsoahana tao anatin’ilay horonantsary na sarimihetsika. Misy dingana 3 no atao, ny mpianatra lehibe dia efa mahafehy ny tenany fa ireo mbola zaza kosa no tsy maintsy ampian’ny Ray amandreniny hoy ny minisitra.Dingana voalohany ny hoe : anontaniana ilay/ireo zaza hoe momba ny inona na momba an’iza ilay zavatra hitany ; faharoa apetraka ny fanontaniana hoe inona no tena nahaliana sy nahafinaritra tao ; ary fahatelo farany anontaniana izy hoe inona ny zavatra tianao ovaina tao anatin’iny zavatra hita, na re na natao iny.Amin’izay sady miala voly no mianatra sy manita-tsaina ary miha mafy kokoa ny fifandraisan’ny mpianatra sy ny Ray amandreny.Mbola tsy voafaritra moa mazava aloha hatreto ny daty mety hiverenan’ny fampianarana indray.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT