Fampianarana

Mpianatra Malagasy any Indonezia Miantso vonjy, 6 volana tsy azo ny vatsim-pianarana


  • Talata 23 Aogositra 2022

Taorian’ireo mpianatra any Rosia, nangataka ny hanomezana ny “allocation annuelle 2020-2021” ihany koa ireo mpianatra Malagasy any Indonezia,

ka nandefa taratasy miantefa amin’ny Fanjakana mahefa ny 12 aogositra 2022 teo. Tokony ho nivoaka ny volana janoary lasa teo, izany kanefa hatramin’izao mbola tsy azo. “Efa niezaka izahay niara-nifanolo-tànana tamin'ny “Service des Bourses Extérieures” mba hahafahana mamoaka ny “allocation annuelle” ara-potoana kanefa efa ho dimy volana izao dia mbola resaka “procedure” sy “controle” foana ny vaovao azonay”, hoy ireo mpianatra. Nomarihin’izy ireo fa mahazo daty vinavina foana isaky ny manao fifampiresahana amin’ny tompon”andraikitra kanefa rehefa tonga ilay daty dia ahemotra hatrany. Misy solontenan’izy ireo aty Madagasikara nalefa nihaona tamin’ireo tompon'andraikitra anefa toa narirarira izy ireo. “Ankehitriny, manoloana ny olana izay sedrainay mpianatra aty Indonezia dia mangataka aminao izahay Ramatoa ministra ny mba hivoahan'ny “allocation annuelle” faran’izay haingana satria betsaka aminay mpianatra no misedra olana toy ny tsy fahafahana manavao Visa sy ny “assurance médicale” sy ireo olana maro samihafa noho ny fahataran'ny fahazoana ny “alocation annuelle”. Reny mpiahy anay lanao Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarahoana ara-Tsiansa ary manan- janaka tahaka ireo Ray aman- dreninay izay mitebiteby manoloana ny olana izay sedrainay aty ivelany”, hoy hatrany ireo mpianatra any Indonesia. Isaky ny janoary eo ny mpianatra iantohan’ny fanjakana “bourse” na “allocation financiere” dia mitetina 250dolara eo isaky ny mpianatra no raisiny. Ankehitriny anefa izahay dia mahatsapa fa tena sahirana satria tara enim-bolana be izao ilay izy toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, hoy ny fanamarihana. Ny fepetra eto Indonesia anefa sarotra satria tsy mahazo miasa ny mpianatra na mivantana na ankolaka raha tratra dia sazy mihantra, hoy izy ireo. Ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola no tena ary ny sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana makany ivelany no heverina fa tompon’andraikitra tokony hijery akaiky izao, ankoatra izay mety ho fandraisana an-tanana ataon’ny Masoivohontsika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT