Fampianarana

Mpianatra lalàna sy fitantanana ao amin’ny Issup Hitsidika orinasa maro any Vakinankaratra


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Hanitatra ny fitsidihana orinasa maro eto Antananarivo Renivohitra sy any amin’ny faritra Vakinankaratra amin’ity volana aogositra sy septambra ho avy io,

 

 

 

 

 ny mpianatra lalàna sy fitantanana ao amin’ny sekoly ambony ISSUP na “Institut Superieur Privé Professionnel” etsy Behoririka, ampitan’ny Galana.

Ny taranja fitantanana na  « Gestion » dia ahitana  ny “Commerce International”, “Transit de Douane”, « Gestion Ressources Humaines » na GRH ary ny « Comptabilité et Finances ». Efa manomboka koa ny asa fikarohana ataon’ny mpianatra taona faharoa sy fahatelo ao amin’ny sekoly. Ankoatra izay, manao “Cours Modulaire”, izay mila fanohanana izany ihany koa ny sekoly ISSUP na mpiasa na mpianatra hanitatra ny fahalalany. Manomana ny fitsidihana ny faritra hafa koa ny sekoly sy ny mpianatra amin’izao fotoana izao, ankoatra ny any Vakinankaratra. Marihana fa misy ny fampiofanana ho an’ny mpiasa na ny « Formation continue » isaky ny sabotsy ary misy ny boky vidiana sy ny fampivondronana ny mpiasa sy ny mpianatra manaraka io “Formation” farany io.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT