Fampianarana

Mpianatra ho manamboninahitra Hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana mba hahazoana vokatra tsara


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Nihaona tamin'ireo mpianatra ho manamboninahitra ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotonirina Richard omaly tany Antsirabe .

Anisan’ny noresahiny nandritra izany ny toetra sy fihetsika tokony hananan'ny manam-boninahitra amin'ny maha mpitarika azy ireo sy manoloana ny asa andrasan'ny vahoaka aminy. Misy mantsy ireo mbola tsy mahafehy izany.Taorian'izay dia namory ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny tenany ka nahitsy izy ny nilaza ny amin’ny tokony hanitsiana ny drafi- pampianarana ao amin'ny sekoly mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ka hanana vokatra goavana amin'ny asa fiarovana ny vahoaka hatao eny an-kianja manoloana toe-javatra misy ankehitriny. Diso mirongatra loatra mantsy ny fandriampahalemana ka tokony handraisana fepetra. Anisan’ny antony mampanome tsiny ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ihany koa izany izay sary variana any anaty birao fotsiny ny sasany fa tsy manao ny andraikiny ara-dalana akory.
Nangonin’i Pati
Legende :
Nandritra ny dian’ny minisitra omaly . 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT