Fampianarana

Mpianatra eto Analamanga Ny 6 martsa vao miverina mianatra


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Namoaka fanapahan-kevitra omaly ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny fampiatoana fampianarana eto amin’ny faritra Analamanga.

Voakasik’ity fanambarana ity avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny vinavinan’ny toetr’andro voalazan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, hoy ny voalaza, dia voasokajy anaty faritra maitso ny faritra Analamanga. Hiditra anio alina an-tanety (TTF: omaly alina) ilay rivodoza Freddy. Noho izany, ho fiarovana ny ain’ny zaza malagasy dia mandray izao fanapahan-kevitra manaraka izao ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Analamanga. Hiato ny fampianarana ho an’ny mpianatra rehetra amin’ny ambaratonga garabola, ambaratonga fototra, ambaratonga faharoa, lisea eo anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 8 eto amin’ny faritra Analamanga ny alarobia 22, Alakamisy 23, zoma 24 febroary: Antananarivo renivohitra, Antananarivo atsimondrano, Antananarivo avaradrano, Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Hiverina mianatra kosa ny mpianatra rehetra ny alatsinainy 6 martsa 2023. Marihina moa fa ny alatsinainy 27 febroary hatramin’ny zoma 3 martsa 2023 dia fotoam-pialantsasatra, araka ny tetiandrom-pampianarana. Natao izao fanapahan-kevitra izao mba hitsinjovana sy hiarovana ireo mpianatra amin’ireo loza maro samihafa mety hitranga ary manentana hatrany hanaraka ny vaovao tsy tapaka sy ny fivoaran’ny toetr’andro araka ny zava-misy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT