MPIANATRA ENY ATSIMONDRANO

Efa niverina nianatra ny eny anivon’ny tsy miankina


  • Talata 25 Febroary 2025

Efa niverina nianatra omaly Alatsinainy 24 Febroary avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra

ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano, indrindra fa ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Nisy kosa ireo mbola tsy nanohy ny fianarany toy ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana dia ny EPP sy ny CEG ary ny lisea. Amin’ny datin’ny 03 Martsa ho avy izao izy ireo vao hiverina hianatra araka ilay tetiandro navoakan’ny Ministera ny amin’ny fisian’ny fotoana hiatoana kely. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatra eny Anosizato sy Ampitatafika tratry ny ranobe. Misy amin’izy ireo mantsy no mbola hametrahana traboina ny efitrano tokony hianarany. Misy ihany koa ireo mbola ambonibe ny rano eny amin’ny faritra misy azy ka ahiana sy atahorana ny ainy. Tsy misy olana kosa ny resaka fitaovam-pianarana. Miisa 785 isa mantsy izy ireo raha tsiahivina no notoloran’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fitaovana feno. Traboina vokatry ny ora-mikija izy ireo ka potika vokatr’izany ihany koa ny fitaovam-pianarany. Tanjon’ny Ministera moa ny mba hahafahan’ireo mpianatra ireo manohy araka ny tokony ho izy ny fianarany indray hisorohana ny fitsoahana an-daharana sy ny mety ho fahatapahan’ny fianarana indrindra amin’izao roa volana fahatelo izao.
Pati
Legende : Efa mianatra ny ankamaroan’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT