Fampianarana

Mpianatra eny Ankatso Misy mitaky fanemorana ny fanadinana


  • Sabotsy 11 Aprily 2020

Noho ny hasarotan` ny fiainana manoloana ny fepetra noraisin` ny fanjakana amin` ny ady amin` ny COVID-19, maro ireo fikambanan` ny mpianatra no mangataka ny fanemorana ny fanadinana eny amin`ny oniversitem-panjakana.

 

 

 Nanamafy izany ny Solidarité des étudiants de la région SOFIA (SERS) tamin` ny alalan` ny filohany, Marco. Mbola maro dia maro ireo olona tsy tafody any amin` ny faritra misy azy. Tapitra anefa ny fe-potoana nomen` ny Filoham-pirenena izay dila tamin` ny 09 aprily teo ny fangatahana fahazoan-dalana. Nilaza izy fa ny zava-misy ankehitriny dia tsy hahafahan` ireo mpianatra mifantoka amin`ny fianarana. Misy ihany ireo malala-tanana manohana ireo mpianatra avy amin`ny faritra SOFIA amin`ny fampitaovana toy ny famatsiana PPN. Izany mariky ny firaisankina izany no mbola hahafahana ny mpianatra miatrika ny zava-misy aloha amin` izao fotoana izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT