Mpianatra eny Ankatso

Manome 72 ora ny fitondràna hamahana ny olana


  • Alarobia 18 Desambra 2024

Nanao fangatahana miantefa amin’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana

ara-tsiansa omaly ireo fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra miisa 23 manerana ny nosy mila ravinahitra ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso. Isan’izany ny mikasika ny fitondràna ataon’ny minisitera amin’ny eo anivon’ny samy mpitarika. Misy, hoy ny fanazavàna, ny tsy fitoviam-pitondràna ataon’ny minisitera amin’ireo samy mpitarika ny mpianatra eny anivon’ny oniversite. Mangataka amin-dramatoa minisitra ny amin’ny hisokafany amin’ny rehetra satria mitovy avokoa ny mpitarika rehetra. Fangatahana faharoa ny mahakasika ny mpanolontsaina tekinikan-dramatoa minisitry ny fampianarana ambony. Mangataka ireto mpianatra ireto ny amin’ny hanoloana ny mpanolontsaina tekinika rehetra faran’izay haingana satria hitan’izy ireo fa ny fomba fiasan’ireto mpanolontsaina ireto dia miteraka fampiadiana ny samy mpitarika. Angatahana koa ny fanoloana ny talen’ny CROU-A sy DQ satria manome vahana ireo tsy mpianatra hipetraka amin’ny tranon’ny mpianatra. Tsy mazava ny fitantanan’izy ireo. Isany ny tsy fahaizana mampihatra ny lalàna mikasika ny fampandehanana ny vola azo avy amin’ny ofan’ny fonenana na «cité» sy ny «fast food» kanefa dia tsy misy fanavaozana sy fanatsaràna mandrak’ankehitriny. Tsy misy koa ny fitohizana eo amin’ny fanorenana trano. Isany ny Amical 2 izay efa ela dia ela no may. Ny fahaefatra dia mikasika ny rano sy herinaratry ny R+1, izay «cité» vaovao. Angatahana ny hametahana ny rano sy herinaratra mahavaly ny filàn’ny mpianatra ao, izay efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra. Tsy mbola nanohitra izao fitondràna izao ny mpianatra ary tsy mbola nitsipaka ny fiaraha-miasa napetrak’i ramatoa minisitry ny fampianarana ambony amin’izao fotoana izao. Manome 72 ora ny fitondràm-panjakàna hamaha ny olana izy ireo fa raha tsy izany dia hiditra amin’ny dingana avoavo kokoa toy ny fidinana an-dalambe na ny fanidiana ny biraon’ny CROU-A, raha ny fanambaràna nataon’ireto mpianatra ireto hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT