Fampianarana

Mpianatra eny Ankatso Mandoa ilay droit pédagogique manomboka izao


  • Talata 12 Mey 2020

Araka ny filan-kevitra eny anivon’ny fakiolte EGS natao teny Ankatso ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa tsy maintsy mandoa ilay droit pedagojika avokoa ny mpianatra rehetra manomboka amin’ity taona 2020 ity.

 

 

Nandritra ny fanambarana nataon’ny COFAC EGS no nahafantarana izany ankoatra ny saram-pisoratana anarana mahazatra. Anisan’ny antony nandraisana izany fanapahan-kevitra izany ny fitsinjovana ny tombontsoan’ireo mpianatra, toy ny fananana trano fivoahana tsy handoavam-bola toy ny teo aloha intsony, ny fahazoana connexion ara-dalana hahafahana manatevina ny asa fikarohana, ny fanatsarana ny fitaovana fanamafisam-peo sy ny fampitaovana isaky ny efitrano fianarana. Farany izay tsy kely akory fia hatsaraina ihany koa ny lafiny fanatanjahantena. 38 000 Ar isan-taona moa no saran’izany ho an’ny mpianatra tsirairay avy. Tsiahivina moa fa mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny fotoana hidiran’ireo mpianatra eny Ankatso noho ny fiparitahan’ny tsimokaretina Covid 19. Ny hany fantatra dia efa misy amin’ireo mpianatra sasany no efa nandalo naka devoara tany am-pianarana ary en ligne no hamaliana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT