Fampianarana

Mpianatra eny amin’ny oniversite Hatrany amin’ny 25% ny fitsoahana an-daharana


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Toy ny fanao isan-taona dia ho tontosaina ny 23 ka hatramin’ny 25 novambra izao indray ny “Salon des étudiants et de l’emploi 2020” eo amin’ny zaridainan’Anosy.

 

 Miisa 50 ireo mpandray anjara andrasana dia ireo toeram-piofanana sy fampianarana ambony miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Eo koa ireo sampam-piofanana sy lalam-piofanana nahazo fankatoavana tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny seraseran’ny oniversite omaly. Ireo mpianatra manomboka amin’ny kilasy faharoa na “seconde” ka hatramin’ny “famaranana” moa no asain’ny UCM sy ny orinasa Telma, izay mpiara-miombon’antoka amin’ity hetsika ity ho tonga eny an-toerana. 3 taona mialohan’ny hialany eny amin’ny lisea dia efa tokony hahafantatra ny lalan-kizorany aorian’izay ny mpianatra, hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo, mba tsy haha diso lalana azy. Asaina tahaka izany koa mazava ho azy ireo mahatsiaro tena ho efa diso lalana teny amin’izay anjerimanontolo izay sy teo amin’ny fitadiavana asa. Eo ihany koa ireo liana amin’ny tekinolojia vaovao. Isan’ny tanjona ny fitsoahan-daharana eny amin’ny oniversite satria ho an’ny taona voalohany manokana, ohatra, dia tafakatra any amin’ny 25% any ho any izay fitsoahan-daharana izay, raha ny tarehimarika farany. Novinaniana hahatratra hatrany amin’ny 60.000 isa any kosa ireo mpitsidika amin’ity raha toa 6000 ka hatramin’ny 10.000 no notratrarina tamin’ny taon-dasa, hoy hatrany ireo mpikarakara ny hetsika, saingy manoloana ny fahamehana ara-pahasalamana dia miisa 15.000 no tratrarina.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT