Fampianarana

Mpianatra diso safidy amin’ny lalam-piofanana Hanampy azy ireny ny sekoly ambony UPRIM


  • Alakamisy 24 Oktobra 2019

Betsaka amin’ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea no tsy mahalala akory izay lalam-piofanana tokony harahiny.

 

 

 Misy ireo mahare ny namany hianatra fitantanana ohatra dia roboka ihany na dia tsy izay aza no tena mety aminy. Hanampy ireny karazan’ankizy ireny ny sekoly ambony UPRIM, raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Nadia, tompon’andraikitra voalohany ao aminy.  Horaisin’izy ireo tsirairay ireo ankizy mpianatra hiditra hianatra ao aminy ka hazavaina amin’ireto farany  ny asa tiany hatao rehefa lehibe sy ny lalam-piofanana tokony harahiny raha te ho tonga amin’ny  tanjona tiana hokendrena izy ireny. Tsiahivina moa fa ho an’ny fampianarana mankany an-tsekoly isan’andro dia  mbola azo idirana avokoa ireo lalam-piofanana misy ao amin’ny sekoly ambony UPRIM. Anisan’ireny ny gestion et management, ny commerce et marketing, ny communication, ny droit ary ny paramédicaux izay manofana mpampivelona sy infirmiera. Nisafidy ny tsy hampiakatra saram-pianarana izy ireo amin’ity taom-pianarana vaovao ity  noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny.

Pati

Legende : Rakotovaoarison Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony  UPRIM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT