Fampianarana

Mpianatra amin’ny kilasy antenantenany Tsy hisy fanadinana 3 volana fahatelo ?


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Niantso ny mpampianatra rehetra hanohy ny asa hanatanterahana ny fanadinam-panjakana filohan’ny sendikan’ny Mpampianatra ANEFFA, Elidio Randrianjafy afak’omaly.

 Milaza ny hiverina hampianatra amin’izay izy sy ny ekipany ary hanao ny fomba rehetra hanatanterahana ny fanadinana. Hanaiky sy hihaino izany ve ireo mpanabe mbola mitokona ? Tsia aloha ny valiny hatreto satria raha ny nambaran’ny SEMPAMA omaly, dia vao mainka hihamafy ny tolona, ary hiakatra eto Antananarivo ny avy amin’ny 119 distrika hanamafy izany. Mandeha any ambadimbadika any kosa ny antso ho an’ny mpampianatra hanao “jury” amin’ny fanadinam-panjakana, ary voatazona hatreto fa ny 9 aogositra no hatao ny CEPE, ka dia andrasana izay hiseho.  Manomboka mandefa ritsoka kosa ny sekoly sasany fa mety hiafara amin'ny fanambarana ny naoty azo telo volana voalohany sy faharoa no ho solon'ny naoty hifindrana na hamerenana kilasy eo anatrehan’ny mbola fikatsoana ho an’ireo kilasy antenantenany. Mety hifarana tsy misy fanadinana fisondrotana kilasy ny an'ny kilasy faharoa sy voalohany. Toa tsy mbola misy akony aloha ny fanaovan-tsonia fifanarahana ho famahana ny olan'ny mpampianatra nifanaovan’ny teo anivon’ny primatiora, niampy ny minisitera ary ny solontenan'ny sendika raha dinihina amin’ny fihamafisan’ny fitakiana.

 Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT