Fampianarana

Mpianatra amin’ny kilasy antenantenany Tsy hisy fanadinana 3 volana fahatelo ?


  • Talata 31 Jolay 2018

Fakana ny mety ho toromariky ny mpampianatra no tena ataon’ny mpianatra ho an’ny kilasy antenantenany, fa raha ny fiverenan’ny fampianarana, dia toa mbola sarotsarotra ihany, ka indray mandeha isan-kerinandro eo no maka vaovao.

 Ho an'ny Lisea Faravohitra, tsy mbola tapa-kevitra hanohy na hamarana ny fianarana velively ny mpampianatra ka nampodiana indray ny mpianatra. Nandefa ritsoka sahady ny sekoly fa mety hiafara amin'ny fanambarana ny naoty azo telo volana voalohany sy faharoa no ho solon'ny naoty hifindrana na hamerenana kilasy eo anatrehan’ny mbola fikatsoana. Ny mpianatra hanala fanadinana kosa tsy misy tokotaniny fa miandry izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha. Mety hifarana tsy misy fanadinana fisondrotana kilasy ny an'ny kilasy faharoa sy voalohany. Toa tsy mbola misy akony aloha ny fanaovan-tsonia fifanarahana ho famahana ny olan'ny mpampianatra nifanaovan’ny teo anivon’ny primatiora, niampy ny minisitera ary ny solontenan'ny sendika. Niantso ny mpampianatra rehetra hanohy ny asa hanatanterahana ny fanadinam-panjakana kosa ny filohan’ny sendikan’ny Mpampianatra ANEFFA, Elidio Randrianjafy omaly. Milaza ny hiverina hampianatra amin’izay izy ireo ary hanao ny fomba rehetra hanatanterahana ny fanadinana. Hanaiky sy hihaino izany ve ireo mpanabe mbola mitokona ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT