Fampianarana

Mpianatra afaka BACC mendrika indrindra Hotohanan’ny Airtel ny fidirana eny amin’ny oniversite


  • Alatsinainy 20 Novambra 2017

Mba hananan’ireo tanora Malagasy ilay toe-tsaina tia miezaka sy mikaroka mandrakariva dia notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel fanomezana manokana ireo mpianatra 82 mianadahy mendrika indrindra tamin’ny fanadinana Bakalôrea farany teo.

Ireo nahazo “mention tres bien” sy “bien” no tena nahazo tombontsoa manokana  manerana ny Nosy. Anisan’ny notsidihan’ireo delegasiona avy amin’ny Airtel ireo  lisea eto an-drenivohitra toy ny lisea Jean Joseph Rabearivelo ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ny tale jeneraliny Maixent Bekangba. Nambaran’ity farany fa anisan’ny paikady iray hahafahana mampirisika ny mpianatra hilofo amin’ny fianarana hatrany ny fanomezana fanampiana tahaka izao. Ho azy ireo manokana dia ny fiantohana ny saram-pisoratan’anaran’ireo mpianatra eny anivon’ny oniversite no anjara valisoa nomeny, miankina amin’izay safidin’ny tsirairay. Handray ireo mpianatra Malagasy mahay amin’ny fianaran’asa hataony ihany koa ny Airtel aorian’ny fahavitan’izy ireny ny fianarany. Maro ny ezaka efa nataon’ny Airtel teto amintsika momba ny fanabeazana ny tanora. Anisan’ireny ny fametrahana ny bibliobus, ny teknolojia avo lenta eny anivon’ny sekoly...

 

Pati

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT