MPIAMBINA AMIN’NY FANADINANA CEPE

Nahena ho an-tsasamanila avokoa ny isany ?


  • Zoma 13 Jona 2025

Mandeha ny fampitam-baovao ankehitriny fa nahena ho an-tsasamanila avokoa ny

isan’ireo mpanabe hanatanteraka ny fiambenana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ny datin’ny 17 Jona ho avy izao. Raha miisa 40 izany ho an’ny foibem-panadinana iray raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny fikambanana hivondronan’ireo sekoly tsy miankina dia lasa 20 sisa. Nambarany moa fa toerana maro no efa fantatra fa hiaina izany toy ny eny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny, ny any Fianarantsoa….izay nomarihiny manokana fa fanapahan-kevitra mety efa miely patrana manerana ny Nosy mihitsy. Noho ny tsy fahampian’ny vola entina hanakarama ireo mpanabe mpiambina ireo no nambarany fa anton’izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika miandry amam-bolana maro ireo mpampianatra manatanteraka ireny fiambenana ireny vao mivoaka ny volany avy amin’ny Ministera. Manahy ny mety ho voka-dratsin’izany araka izany ireo tompon’andraikitra mivondrona eo anivon’ny sekoly tsy miankina eto amintsika. Tsy mbola nahazoana valiny mahafa-po mikasika izany kosa ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.
Pati
Legende : Mitontongana hatrany ny fandraisana an-tanana ireo mpanabe sy ny ankizy miatrika ny fanadinam-panjakana eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT