Mpiadidy ny fampandehanan-draharaham-panjakàna

Mba miandrandra fankasitrahana ihany koa


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Sady nitsiriritra no mba miandrandra fankasitrahana ihany koa taorian’ny fankasitrahana ireo

mpiasan’ny ladoany miisa 8 nisitraka hatrany amin’ny 17 tapitrisa Ariary noho ny voalaza fa fahatraran’izy ireo mpanao trafikana harena voajanahary teny Ivato amin’izao fotoana izao ireo mpiadidy ny fampandehanan-draharaham-panjakàna na mpiasam-panjakàna, raha ny marimarina kokoa, araka ny antsoantson’ny maro tamin’izy ireo tao anatin’ny fandaharana Bemiray an’ny Top Radio, 102.8 FM ny marainan’ny omaly. Tsy vao izaho, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo, no nisy nahatratra trafika na nisy trafika teo anivon’ny ladoany. Ireny no tra-tehaka fa mbola mampametra-panontaniana izao hoe ahoana ny mikasika ireny nivadika vy tao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ireny nefa ny praiminisitra mihitsy no niandraikitra ilay minisitera tamin’izany fotoana izany? Toy izany koa ilay volamena 73,5kg na ireo raharaha andramena sy voamboana tamin’ny tetezamita 2009 hatramin’ny 2013. Ny mpiasan’ny Ladoany irery ve no antsoina hoe mpiasam-panjakàna ary ny mpiasan’ny Ladoany irery ve izany no antsoina hoe niasa, hoy hatrany ny isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpiasam-panjakàna sy olompirenena naneho hevitra?
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT