Fampianarana

Mpanala BEPC Maro no matahotra ny taranja kajy


  • Talata 04 Jolay 2017

Notanterahina nanomboka omaly alatsinainy 3 jolay manerana ny Nosy ny fanadinana BEPC taona 2017.

 

Ny taranja Malagasy no niantombohany. Ampahan-dahatsorata nosoratan’i Esther Randriamamonjy tao amin’ny bokiny tantara foronina “Ho avy ny maraina” no niaingana. Mpiadina miisa 342.064 no niatrika ny fanadinana. Fito taona no zandriny ary 64 taona no zokiny indrindra. Ho an’ny foibem-panadinana LMA Ampefiloha izay nanaovana fanadihadiana omaly dia miisa 4.484 ireo mpiadina voasoratra anarana tokony ho  niatrika izany, araka ny fanazavan’ny proviseur Razafindralambo Nirina Razakamanana. Nihena anefa io isa io rehefa notanterahina ny fanadinana. Nahatratra 125 ireo tsy tonga ka ny 82 tao amin’ny LMA ary tany amin’ny LTC kosa ny 43 ambiny. Mpiadina iray nitondra ireny “fauteuil roulant” ireny kosa no voatery nafindra efitranom-panadinana. Tsy nisy anefa ny narary. Maromaro ny nanadino taratasy fiantsoana sy kara-panondro saingy voavaha ihany ny olana rehefa nohamarinina ny maha mpiadina ara-dalàna azy. Tsy dia nananosarotra ny mpiadina ireo taranja roa notanterahina omaly tamin’ny ankapobeny. Mampatahotra ny rehetra kosa ny taranja kajy hotontosaina anio maraina sy ny frantsay hatao anio hariva. Ny taranja fizika sy ny tantara sy jeografia moa no hotontosain’izy ireo rahampitso tontolo andro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT