Fampianarana

Mpampianatry ny oniversite “Feno ny kapoaka !”


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Raha voalaza ho niravona ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo teny mikasika ny fitakiana ny fampiakarana ny fampitaovana sy ny filam-pikarohan’izy ireo dia ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES) kosa indray omaly no nivory hijerena ny dingana tokony hatao hanatanterahana ny fitakian’izy ireo hatramin’ny taona 2009.

  Feno ny kapoaka, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo, satria dia tsy vitan’ny hoe tsy nitazona ny teniny ny fitondram-panjakana fa mbola tadiaviny hohitsakitsahana ihany koa ny maha tany tan-dalàna ny nosintsika. Efa tamin’ny 10 septambra 2015 no nisy fifanarahana natao teny Mahazoarivo fa efa tokony ho notanterahana tamin’ilay volavolan-dalàna santatra 2017 (LFR Initiale 2017) ny didim-pitondrana laharana 2224-2009 mikasika ny fonenan’ireo mpampianatra mpikaroka saingy tsy mbola voavaha izany sy ny olan’ny oniversite. Mbola hisy, hoy ity filoha ity, ny fivoriana amin’ny alarobia izao ary voatery hiroso amin’ny fampiatoana ny fampianarana izahay raha tsy mivaha ny olana.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT