Fampianarana

Mpampianatra-mpikaroka Tsy mivoaka any ivelany raha tsy hankatoavin`ny filoham-pirenena


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Nandritra ny “COPRES Elargi” ny 3 septambra farany teo dia nisy fampahafantarana (note de service) maromaro navoakan`ny fitondram-panjakana. Manitsaka tanteraka ireo lafiny efatra eo amin`ny fahaleovantenan`ny oniversite izany, hoy ny SECES Mahajanga.

 

 

 Ny minisiteran`ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika dia mpiahy ny oniversite saingy tsy midika akory “subordination”. Miendrika fanitsakitsahana avokoa ireo fampahafantarana ireo. Voalohany, ny fahaleovantena ara-pampianarana: ny minisitera indray no mamoaka ny tetiandrom-pampianarana tsy maintsy arahin`ny rehetra kanefa tsy anjara andraikiny velively izany. Noferan`ny minisitera ihany koa ny ora fampianaran`ny mpampianatra tsirairay. Manahy izy ireo fa tsy ho vita ny fampianarana sy fanarahana ny mpianatra satria tsy ampy ny mpampianatra. Mahakasika ny fahaleovantena ara-tsiantifika, nahantona ny soutenance ny HDR sy ny docotorat. Manana vaomiera momba ny “these” ny oniversite fa tsy anjaran`ny minisitera izany. Eo amin`ny fitantanana dia nilaza ny minisitra mpiahy fa tokony ho solontenan`ny minisitera no filohan`ny filankevi-pitantanana eo anivon`ny oniversite. Nilaza ihany koa ramatoa minisitra fa hanangana “central  d`achat” ny fanjakana ka tsy maintsy any aminy koa no mividy ny oniversite rehetra. Mahakasika ny ara-bola, tokony hasiana “agent comptable” ny oniversite rehetra. Miahy fotsiny ihany no asan` ny minisiteran`ny vola fa tsy izy no tokony hitantana ny volan`ny oniversite. Fanaraha-maso no tokony hataony satria misy solontenan`ny vola ao amin`ny filankevi-pitantanana. Farany, tsy lalàna intsony no voatohintohina fa ny lalàmpanorenana: nisy fampahafantarana nivoaka andro vitsy izay no milaza fa tsy mahazo mivoaka ivelan i Madagasikara ny mpampianatra mpikaroka na mpikaroka mpampianatra raha tsy mahazo alalana avy amin`ny filoham-pirenena na mampiasa na tsy mampiasa volam-panjakana. Ny fivoahana any ivelany dia tafiditra amin’ny asa andavandron`ny mpampianatra. Noho izany, ny oniversite tsirairay dia tsy tokony handray baiko na teny midina avy amin`ny minisitera mahakasika ny fitantanana ao anatiny.

 

Marigny A.

Ny “autonomie universitaire” dia tolona nataon`ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nandritra ny 30 taona (1962-1992) ka tsy azo ravana io tolona io. Ny taona 1992 izay nivoahan`ny didy hitsivolana 92-030 dia milaza mazava tsara ao amin` ny and. voalohany fa ny anjerimantolo dia manana fahaleovantena ara-pampianarana (pedagogique), ara-tsiantifika, ara-pitantanana ary ara-bola. Ny didim-panjakana lah. 2002-565 ao amin`ny and. 01 dia manamafy izany ihany koa. Araka ireo lalàna roa ireo izay mbola manan-kery tsara amin`izao dia miisa efatra (4) lafy ny fahaleovantenan`ny oniversite. Zo fototry ny fijoroan`ny oniversite eto Madagasikara izany.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT