Fampianarana

Mpampianatra Malagasy Mila karakaraina ny lafiny maha olona


  • Alatsinainy 10 Febroary 2020

Miroso amin’ny fanomezana toromarika avokoa ireo minisitra, taorian’ny fanendrena mpikambana governemanta.

 

 

Ny fananganan-tsaina voalohany moa no fotoana nanomezan’izy ireo izany. Anisan’ny lohahevitra tena mibahan-toerana eto amin’ny firenena ny sehatry ny fanabeazana. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pïrenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa dia tarihan’Andriamanana Josoa Rijasoa Iarintsambatra. Na dia nafampana aza ny fifamindram-pahefana teo amin’ity minisitra vaovao ity sy ny teo aloha dia efa miroso amin’ny asany izy. Anisan’ny anjara biriky voalohany entiny hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ny fizarana paipaika isaky ny alatsinainy mandritra ny fananganan-tsaina. Araka izany, hametraka paikady hanatsarana ny vokatra ity minisitera ity. Hanova ny lamina efa nisy ka hametraka vaovao indray. Tsy ho mora ny fanatanterahana izany manoloana ireo mpiasam-panjakana, izay matetika tsy manana fitaovana sy fampitaovana ary karama tsy mahavelona. Nanaiky aloha ny minisitra manoloana io resaka karama io, saingy hitaky asa mivaingana avy amin’ireo mampianatra na izany aza. Ankoatra ny karaman’ny mpampianatra, andrasana aminy koa ny fitaovana sy fampitaovana ary ny fampiofanana. Andrasana ihany koa ny politikam-pampianarana vaovao mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy. Mety ho ity minisitra ity ve no ho sahy hitaky ny fampitoviana karama eo amin’ny mpiasam-panjakana ? Marihana fa anisan’ny fitakiana nataon’ny mpampianatra izany nandritra ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 90 ariary, tamin’ny taona 2018. Inona tokoa moa ny olana ? Amin’izay dia mametraka ny hasina sy lanjan’ny sekoly ao anatin’ny tontolo ara-toekarena sy ara-tsosialy. Lojika aloha raha misitraka karama mendrika sy mahavelona ny mpanabe, noho izy ireo mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Eo amin’ny fitafiny fotsiny dia efa azo hamaritana fa tsizarizary ny fiveloman’ny ankamaroan’ireo mpampianatra. Ekena ny vokatra, saingy tsy tanteraka izany raha tsy jerena ny mahaolona.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT