Mpampianatra Malagasy

3% no mahafehy teny frantsay sy malagasy


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Niteny anareo izahay tamin’ny herinandro, hoy ny Sendikan’ny mpampianatra malagasy na SEMPAMA, fa petatoko

sy gaboraraka amin’ny lafiny rehetra ny fitantanana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Lavitry ny afo ny kitay, hoy izy ireo, raha ny tombana tamin’ny 5 taona lasa izay nataon’ny PNPSE na “Plateforme nationale pour le pilotage du secteur de l’éducation” izay vovonana momba ny fanabeazana tantanan’ny CELCO na “Cellule de coordination” izay faribolam-pandrindrana. Nisy ny “Revue sectorielle thématique du secteur de l’éducation” ny 12 sy 13 septambra teo tao amin’ny Radisson ary niarahana nisehatra tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisitera miisa 3. Ny fampianarana ambony, ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana tekinika sy fanofanana arak’asa, ireo mpiantsehatra maro manerana ny lafivalon’ny nosy izay nanaraka izany tamin’ny “visioconférence” na fampitan-davitra. Ekena fa ilaina ny fanamboarana sy fanatsarana ireo sekoly maro. Ilaina ny fanaovana sy fizarana rakibolana. Ilaina ny fizarana kahie, kapa, ny “kits scolaire”, ny “table banc” sy ny rehetra. Tsy misy dikany ireo rehetra ireo raha mbola tsy mipetraka araka ny tokony ho izy ny rafi-pampianarana sy ny momba ny mpampianatra. Santionany ireto. 4%n’ny mpampianatra no mahafehy ny 80%n’ny zavatra ampianariny amin’izao. 85%n’ny mpampianatra no tsy nahazo fampiofanana fototra nefa am-perinasa. 3%n’ny mpampianatra ihany no mahafehy ny teny frantsay sy teny malagasy enti-mampianatra ampiasaintsika. 11,2%n’ny mpampianatra no mahafehy ny ‘contenu académique” na votoaty manara-penitra amin’ny vakiteny ary 24%n’ny mpampianatra no mahafehy ny matematika. Ny atsasa-manilan’ny fotoam-pampianarana dia very, izany 450/950 amin’ny ora no very anaty taom-pianarana iray noho ny antony maro samihafa. Tsy ampy ny bokim-pianarana satria ho an’ny taranja matematika, frantsay, malagasy fotsiny, ohatra. Boky 1 ho an’ny mpianatra 2 no eny amin’ny ambaratonga fototra. 1 ho an’ny 3 eny amin’ny kolejy. 1 ho an’ny 4 eny amin’ny lisea. Avoahay ireo didim-pitondrana fampiharana ny LOSEM na lalàna momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana malagasy. Apetraho amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’ny primatiora ny CELCO fa tsy minisiteran’ny fanabeazana nefa sehatra miisa 3 no sahaniny, hoy hatrany ny SEMPAMA.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT