Fampianarana

Mpampianatra FRAM Niampy 30.000 tao anatin’ny 7 taona


  • Talata 06 Oktobra 2020

Nankalazaina omaly ny andro manerantany ho an’ny mpanabe. Isan’ny nanamarika izany tetsy Anosy ry zareo eo anivon’ny SANOMA na “Syndicat autonome de Madagascar” izay hivondronana ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fanabeazana nivoaka tamin’ny “école normale”.

 

 

 Nomena lanja sy nifanakalozan-kevitra tao anatin’izay moa ireo lohahevitra heverina fa hitondra vahaolana aingana sy mahomby eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika, hoy izy ireo. Ao anatiny ny hoavin’ireo mpampianatra mbola tsy mpiasam-panjakana na FRAM sy ny olana miantraika amin’izy ireo manerana ny nosy. Eo koa ny resaka 0 ariary na ny fahafaha-mahazo fanabeazana sy fampianarana maimaipoana. Ny resaka famatsiam-bola sy fitadiavam-bola hahafaha-manatanteraka ireo vina sy tanjona rehetra koa dia ao anatiny, hoy hatrany ny fanazavana. Miisa 80.000 eo ankehitriny ireo FRAM raha toa ka 50.000 eo tamin’ny 7 taona lasa, izany hoe niampy 30.000. Isan’ny manahiran-tsaina ankehitriny ny fomba hitantanana azy ireo hahafahana mametraka rindran-damina mampandroso ny fampianarana nefa koa ny hiahiana azy amin’ny fananany ankohonana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT