Fampianarana

Mpampianatra FRAM Andramasina Fito volana tsy nandray karama


  • Talata 06 Aogositra 2019

Fito volana tsy nandray ny karamany ireo mpampianatra fram ary toy izay koa ny sefo fokontany ao amin’ny distrikan’Andramasina, hoy ny depiote voafidy tany an-toerana.

 

 Nambarany fa tokony ho efa naloan’ny fitondram-panjakana ny karaman’ireo tompon’andraikitra ireo, fa mijaly izy ireo, satria mandoa hofan-trano sy saram-pianaran’ny zanany. Hiady mafy amin’ny tompon’andraiki-panjakana  mba hanefana io karama io, ity solombavambahoaka ity, raha ny nambarany hatrany. Tokony handray mpampianatra fram na “recrutement” koa ny fanjakana ary  manamaivana ny fandoavana ny karaman’ireo mpampianatra izany, hoy hatrany ity depiote ity.

 

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT