Fampianarana

Mpampianatra FRAM -Amboasary atsimo 7 volana tsy nandray karama, mandrahona tsy hampanao CEPE


  • Zoma 12 Jolay 2019

Mandrahona tsy hampanao ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahina ny 27 aogositra ho avy izao ireo mpampianatra FRAM any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo.

 

 

 

 

 Noho ny tsy naharaisin’izy ireo ny tambin-karamany tao anatin’ny fito volana no voalaza fa anton’izany nefa mampiana-janaka sy mamelona ankohonana avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Manaitra ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity tranga iainany ity izy ireo. Tsiahivina fa  miisa 547.997 ireo kilonga madinika hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny Nosy amin’ity taona 2019 ity ka ny 82 isa amin’ireo dia manana fahasembanana. Tafiditra ao anatin’izany ireo manana fahasembanana ara-pahitana, ny ara-pihainoana ary ny ara-batana. Enin-taona kosa no  zandriny indrindra amin’izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT