Fampianarana

Mpampianatra FRAM 10.000 notolorana fifanaraham-piaraha-miasa


  • Sabotsy 16 Septambra 2017

Tafakatra 40.000 hatreto ireo mpampianatra FRAM noraisin’ny fitondram-panjakana ho mpiasam-panjakana raikitra. Miisa 10.000 indray mantsy omaly no notolorana fifanaraham-piaraha-miasa avy amin’ny faritra 20 manerana ny Nosy, andiany fahefatra.

 

 Tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no nanatanterahana ny lanonana, natrehin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Nivoitra nandritra ny kabariny fa asa mipaka mivantana amin’ny asa fampandrosoana eny ifotony ny asan’ny mpanabe ka tsy maintsy jerena akaiky izy ireny. Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana azy ho mpiasam-panjakana tahaka izao,  hoy hatrany ny filoha,  eo ihany koa ny fanomezana fitaovana sy  fiofanana azy ireny. Nahazo aron’akanjo fotsy mitovy sy kitapo iray, kahie 4 sy penina 4 avy izy ireo. Ampahany amin’ireo mpampianatra sendra ny gazety Tia tanindrazana.

Atoa Remi : Izahay izao mpampianatra avy any Ikongo efa 13 taona nampianarana vao voaray mpiasam-panjakana. Ao amin’ny EPP Ambalahosy aho no mampianatra. Tamin’ny volana aogositra teo no efa nanao sonia fifanarahana aho ary mba tanteraka soa aman-tsara ihany ilay izy. Ny banky BNI no niantoka ny saran-dalanay nankaty Antananarivo.

Atoa Armand : Mety ihany aloha ny fijerena ny mpampianatra tahaka izao saingy tsy ampy e ! Izaho izao efa 13 taona nampianarana vao voaray ho mpiasam-panjakana nefa tena mafy ny asanay.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT