Fampianarana

Moto nifandona tamin’ny fiara 4x4 Naratra mafy ilay talen-tsekoly


  • Talata 10 Mey 2022

Niharan'ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny 1 km hidirana ny tanàna misy azy ny Talen'ny EPP ao Ankileisoke Anakafy.

Omaly no nitrangan’izany, 4 km miala ny fari-piadidiam-pampianaran’Amboasary Atsimo . Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nifandona tamin’ny fiara 4x4 ny moto nentiny. Vokatr’ ilay fifandonana nisy dia tapaka ny sorony havanana raha simba tanteraka ihany koa ilay moto nentiny.Efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly moa ity talen-tsekoly ity. Marihina fa mirongatra izaitsizy ny loza ateraky ny moto na kodiaran-droa tato ho ato. Tokony ho malina hatrany araka izany ireo mpamily azy ireny fa ny aina tsy hananan-droa. Mety sy tsara ihany koa raha mandeha mora hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nanjo ilay talen-tsekoly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT