Fampianarana

Mivoatra hatrany ny ECCOVA Mpianatra 400 mianadahy indray no nahavita fianarana


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Fahombiazana tanteraka ho an’ny “Ecole de Coupe et Couture Volana” ny fanadinam-panjakana natrehin’ireo mpianany manerana ny Nosy,

 

tamin’ity taona 2017 ity. 100 % mantsy ny salam-pahafahana, ho an’ireo nianatra momba ny lamaody sy ny zaitra, ary ny fanaingoana ny atin-trano. Teo ihany koa ireo nianatra momba ny kiraro sy ny pôketra. Havoaka amim-pomba ôfisialy tsy ho ela avokoa izy ireo. Ho an’ireo mpianatra eto Antananarivo manokana dia ny zoma ho avy izao no hanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany, eny Ankadindratombo. 270 mianadahy no indray havoaka. Hisy, mandritra io fotoana io, ny filatroana goavam-be hanehoan’ireo mpianatra ny sangan’asany, ka ho hita mandritra izany avokoa ny karazan-damaody ankehitriny sy ny taloha rehetra. Hisy ihany koa ireo tranoheva manokana hampahafantarana ny asa vitan’ny mpianatra, araka ny  fanazavan-dRazanamanalina Volana. Nomarihiny manokana fa efa miomana sahady amin’ny “cours de vacances” izy ireo ankehitriny, izay haharitra roa volana. Ny 3, 4 ary ny 8 jolay ho avy izao no fidirana voalohany.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT