Fampianarana

Ministeran’ny fanabeazana Sady mampianatra no mampialavoly


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Miaina anaty fialan-tsasatra tsy fidiny vokatry ny coronavirus ankehitriny ny mpianatra manerana ny Nosy, tahaka ny ankizy 1,2 miliara maneran-tany.

 

 

 Iray volana eo ho eo raha hatontaly izany, fotoana mety hahaverezana zavatra betsaka ao an-tsaina raha tsy misy famerenana. Hirotsaka an-tsehatra hanampy ny Ray aman- dReny sy ny mpianatra amin'ny fiatrehana izany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fa fanofanana arak'asa Rtoa Rijasoa josoa. Amin'ny alalan'ny fandaharana izay tanterahiny ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana rnm sy tvm no hanatontosany izany. Ho an'ny omaly ohatra dia ireo mpianatra ao amin'ny taona voalohany no nisantarany izany nanomboka tamin'ny 08 ora sy sasany maraina. Tamin'ny 09 ora sy sasany kosa no nanomboka ny an'ireo mpianatra ao amin'ny taona faharoa izany hoe samy manana ora iray avy. Tanjon'ny minisitra ny hampianatra sady hampiala voly ny ankizy. Misy amin'ireo fampianarana omeny mantsy no hampitainy amin'ny alalan'ny kilalao mba tsy hahamonamonaina ireo kilonga madinika. Hiitatra amina kilasy hafa ny fampianarana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT