Fampianarana

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena Tsy maintsy vita ny fandaharam-pianarana


  • Zoma 16 Febroary 2018

Betsaka ny fanahiana any anatin’ireo ray aman-dreny amin’izao fiandohan’ny taona 2018 izao mikasika ny mety hahavitan’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly na tsia.

Mbola tsy tapitra mantsy ny fotoam-pahavaratra  hoy izy ireo, ka ahiana indray ny mety  hisian’ny fotoana lavalava tsy hianaran’ny mpianatra, indrindra mandritra ny fandalovan’ny rivo-doza. Namaly izany Atoa Tsitoara Serge Thierry, talen’ny teknolojia sy ny fampitam-baovao eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nambarany fa tsy maintsy vita ny fandaharam-pianarana noho izany tsy tokony hanana fanahiana ny ray aman-dreny. Efa misy amin’izao hoy izy ilay karazana “cours” fanampiny  omena ny mpianatra rehetra, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalôrea. Hiarahan’ny Cisco sy ny ZAP ary ny talen-tsekoly sy ny mpampianatra izany, raha araka ny fanazavany hatrany. Ho an’ireo sekoly tena hita fa tsy hahatratra ny fandaharam-pianarana mihitsy hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity, indrindra fa ny any ambanivohitra dia tsy maintsy hojerena manokana  ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT