Maro loatra ny fitarainana azo amin’izao fotoana izao mahakasika ny tsy fandehanan’ny asam-panjakana amin’ny tokony ho izy.
Raha mandeha any amin’ny birao isan-karazany any isika dia mimenomenona amin’ny tsy fisian’ny fitaovana hoentina hanodinana ny asam-panjakana ireo mpiasa ireo. Tsy ny fitaovana ihany koa nefa no mampitaraina ireo mpiasa ireo fa hatramin’ny olona izay notendrena handray andraikitra ambony koa. Raha ny loharanom-baovao iray dia manao ambony ambany tanteraka ny eo anivon`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena. Raha nanao iraka tany amin`ny faritra Boeny ny minisitra amin`izao ny faran`ny herinandro lasa teo dia nentiny avokoa ireo tale maherin`ny 50 eo anivon`ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena sy ny STAFF tsirairay. Raha ny fantatra dia 36 000 ariary isan’olona sy isan’andro no tambin-karama ankoatra ny solika rehefa manao iraka toy izao. Raha atao kajikajy tsotsotra, tale iray miampy staff telo ao anatin`ny roa andro dia mahazo tambin-karama 2 160 000 ariary. Mitentina 10 800 000 ariary izany raha kajy miaraka amin`ireo tale 50 anaty iraka iray. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia zara vita ny asa fa nibahana ny fotoana ireo famonjena lanonana toy ny fiarahabana nahatratra ny taonan`ny faritra Sofia sy ny fametrahana samboadin`ny ben`ny tanàna ao Mahajanga. Aiza ho aiza ilay politikam-pitsitsiana izay napetraky ny fitondrana ? Tao anatin`ny fotoana nitakiana ireo tambin-karana ho an`ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra eo anivon`ny MENETP. Ny vahoaka Malagasy rahateo dia efa miaina ao anaty haizim-pito nefa mbola mahavita mirevy sy mandeha mitsangatsangana ny tompon’andraiki-panjakana ambony. Tsy mahagaga raha tsy mety mandoa vola ny olona tokony handoa ny volam-panjakana ireny. Be loatra ny kiantranoantrano ataon’ny olona nomena andraikitra. Be loatra ny tsy miraharaha izay fanovana ka tsy misy asa ataony raha tsy hamingana ny filoham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.