Fampianarana

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena Ady seza no mampikorotan-dava azy ?


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Iza no minisitra tena afaka hamaha ny olana ao amin’ny fampianarana ao ? Inona

 

 

 

 

tokoa marina ny zava-mitranga eo anivon` ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena (MEN)? Maro ireo mpanara-baovao no mahatsikaritra fa rehefa miha-akaiky ny fanovana governemanta dia misy korontana samihafa eo anivon` ity minisitera ity tamin` ity fitondrana TGV ity. In-telo niova minisitra tamin`ny taona 2020. Raha miverina kely amin’ny tantara isika dia niteraka fitokonana eo anivon’ny mpampianatra amin’ny sekoly sasany eto Madagasikara ny raharaha “Panier garni 65 000 ariary” izay solombodiakoho avy amin` ny Filoham-pirenena ny 24 desambra 2019. Vola mitentina 2,382 tapitrisa ariary ny azon` ny MEN ho zaraina tamin` izany. Maro ny mpampianatra izay tsy nahazo io vola 65 000 ariary io no manao fandrahonana sy tezitra fa tsy hiasa raha tsy tonga ilay vola nampanantenaina. Nandeha dia nandeha ny resaka fa lanin’ny ministera ny vola satria misy ny nahazo 9 000ariary monja ireo mpampianatra, fa indrindra ireo any amin’ny faritany. Isan’ny nampangaina tamin’izany ny minisitra Volahaingo Marie-Thérèse. Marihana fa tao anatin` ny vanim-potoanan` ny fanaovana fitsapàna  izay nataon` ny Filoha Rajoelina. Niongana tamin` ny toerana ity minisitra ity rehefa nivoaka ny anaran` ireo mpikambana vaovao handrafitra ny governemanta Ntsay ny 29 janoary 2020. Niroso ny fifandimbisam-pahefana ka ny minisitra Dr Rijasoa Andriamanana no nitantana ny ministera taorian`izay. Ny volana jona 2020, nandritra ireny vanim-potoana nafàna niadiavana tamin`ny valanaretina COVID-19, dia nipoaka ny raharaha “bonbon sucette”. Lasa minisitra “bonbon sucette” mihitsy no niantsoan’ny olona azy satria nividy bonbon 8 miliara Ar mahery fa hoe ho zaraina amin’ny mpianatra. Marihana fa enim-bolana taorian` ny nanendrena azy ho minisitra no nipoaka ny raharaha ary ao anatin` ny enim-bolana nifanarahana amin` ny “contrat-programme”ihany koa. Nametra-pialàna moa ity minisitra ity ka tsy nisy nitantana ny ministera nandritra ny roa volana. Ny 20 aogositra teo dia voatendry hisahana ny fitantanana ity minisitera goavana ity Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle. Anisan` ireo niteraka resa-be nandritra ny fitantanany aloha ilay hoe “manao fitsapàna ireo mpianatra hiditra EPP Manara-penitra”. Fa ny tena raharaha goavana dia ny fitakiana nataon`ireo mpianatra eo anivon` ny Ecole Normale Supérieure (ENS) ny herinandro lasa teo. Marihana fa ao anatin` ny fitsapàna ataon` ny Filoha Rajoelina ity raharaha ity no nipoaka. Fifandrifian-javatra ve izany? Ilay izy miseho alohan`ny fanovana governemanta aloha dia efa baraingo. Sa kosa miady an-trano amin`ny samy mpiara-dia amin’ny filoham-pirenena ? Ohatra ny hoe haratsiana mihitsy ity minisitra ity amin` izao. Tsara no manamarika fa ny MEN dia fitaovana iray tena ilaina amin` ny fametrahana fototra elektoraly (base électorale) rehefa hiatrika fifidianana noho izy tena misandrahaka any amin’ny fokontany rehetra manerana ny nosy. Ity minisitra ity anefa toa tsy mitolona amin`ny fametrahana izany. Raha ny loharanom-baovao ihany koa, dia mety anisan` ireo loholona hotendren` ny Filoha Rajoelina I Sahondrarimalala Marie Michelle. Mila fanarenana haingana ity ministera ity ary mila politika mazava. Ny tena mahamay ny fanjakana nifandimby teo dia ny hampiditra ny mpampianatra FRAM ihany ho miasa raikitra. Rehefa mahavita io izany dia milaza fa nahavita zavatra. Misedra olana lehibe aloha ny fampianarana noho io fikorontana politika io.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT