Fampianarana

Ministeran’ny fampianarana teknika Hijery manokana ireo tsy mianatra kanefa manana traikefa


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Hijery manokana ireo olona tsy dia afaka firy tamin’ny fianarana nefa manana traikefa sy efa niasa ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

 

 

 

Ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa manome lanja ny fahaiza-manaon’ny olona iray sy ny traikefa hananany no hanatanterahana izany na ilay antsoina hoe : “validation des acquis de l’expérience”. Hojerena ao anatin’ny fandaharan’asa vaovao ity ny traikefa hananan’izy ireny izay hohatevenina hoy ny Ministra Tsikel’Iankina Ernest. Omena diplaoma izy ireo aorian’ny fiofanana hatrehiny ka ny tanjona dia ny mba hahafahana mampihena na manafoana mihitsy ny tahan’ny tsy fananan’asa eto amintsika, indrindra fa ho an’ireo tanora. Eto Antananarivo, Mahajanga ary Fianarantsoa no hatao fitaratra izay marihina fa mbola hitohy any amin’ny faritra hafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT