Fampianarana

Ministeran` ny fanabeazam-pirenena Rahoviana vao ho voavaha ny olana ?


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Raha ny fahaizana sy fananana diplaoma be dia azo lazaina fa ity governemanta ity no manam-pahaizana.

 


 Kanefa tsy ny fananany fahaizana nefa no zava-dehibe fa ny fahaizany mitantana ministera, indrindra ny fananana traikefa sy fahaizana politika. Raha manaraka ny raharahan’ny governemanta isika dia hita fa misedra olana sahady ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Herinandro vitsy taorian`ny fanendrena ny minisitra Sahondranirina Marie Michelle dia efa niakatra ny feo teo anivon` ity minisitera ity mahakasika ireo fampanantenana samihafa. Nandrasana moa ny hoe hiravona izany taorian` ny fanendrena ireo tale samihafa. Manomboka miakatra anefa maripana satria maro ireo teboka no tsy misy tohiny mihitsy ankehitriny: tsy mbola misy ny “subvention”hatramin` izao; manoloana ny fanapahan-kevitra fa ho maimaim-poana ny fampianarana amin` ireo sekolim-panjakana dia ahiana ho maro ireo mpampinatra FRAM ho roahina; ny fitantanana tsy misy mandeha amin` izay laoniny; ilay fampidirana mpiasa andiany faha-6 hatramin` izao dia tsy nivoaka nefa tamin` ny taona 2019 izany no efa tokony ho vita. Noho izany, mety hanjavona ve ny andiany faha-7 ho n ity taona ity?; ireo tompon’andraikitra raha hanontaniana sy hitondra fanazavana dia tsy misy manome valin-teny. Efa maro ny antson ireo mpanabe sy fikambanana samihafa miantso indray ny sendikà hiaro ny zon` izy ireo. Tsy resaka diplaoma na teknika fa resaka fitantanana. Resaka pôlitika no ilaina fa tsy resaka fahaizana raha te-hamaha izany olana izany. Ho hitantsika ny hataon`ity minisitra ity. Azo antoka laoha fa izy no hita ho tena sahirana indrindra aloha hatramin’izao.

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT