Fampianarana

Minisitry ny fanabeazana Mpianatry ny ENS miisa 200 no raisina ho mpiasam-panjakana


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Nisy avy hatrany ny serasera nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle tao amin’ny tambazotran-tserasera vao raikitra ny grevin’ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure).

Nialohan’io dia efa nisy afak’omaly ny fampahatsiahivana ireo naoty momba ny fandraisana mampianatra nataon’ny Minisitera. “Toy ny natao tamin’ny taona lasa teo dia horaisina ho mpampianatra raikitra ao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena indray ireo mpianatra navoakan’ny (ENS) tsy an-kanavaka miisa 626 manana diplôme CAPEN sy MAPEN, dia handray « sortants ENS » LAPEN miisa 200 ihany koa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Isaorana ianareo mpampianatra niofana tao amin’ny ENS nampiseho fahavonona ny hanolo-tena ho an’ny zanaka malagasy. Maro aminareo tokoa no misafidy lalana hafa noho ny antony maro. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana no anton’izao ezaka fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana izao. Isaorana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’izao fanatanterahana ny Velirano faha-4 izao”, hoy ity Minisitra ity. Somary mifanalavitra ny kajy sy ny elanelan’isa raha ampitahaina ny fitakian’ny mpianatra sy ny nambaran’ny minisitra. Izy ireo izay milaza fa 1500, ary 700 latsaka no noraisina, izany hoe mbola misy 800 mahery tsy mbola voaray, raha toa ka 200 izany no isa ambaran’ny minisitra. Tsara kosa ny manamarika fa 9498 ireo mpiasam-panjakana ho raisina amin'ny taona 2023, raha ny voafaritra amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023. Ny 3488 no raisina amin’ny alalan’ny fifaninanana na “Concours”, ary 6 010 amin’ny alalan'ny fandraisana mivantana na “recrutement directe”, ka toy izao ny fitsinjarany: 3 943 ho an’ny Minisiteran'ny Fanabeazana izany hoe io no ambony indrindra, 500 an’ny Minisiteran'ny fahasalamana, 712 an’ny Ministeran'ny fampianarana teknika; 1270 ho an’ny ministeran'ny fitsarana, 1 420 ho an’ny ministeran'ny filaminam-bahoaka, 830 kosa ny an’ny ministeran' ny fiarovam-pirenena, ary 823 eo anivon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT