Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena “Tsy mpifahavalo ny minisitera sy ny sendika”


  • Alatsinainy 20 Desambra 2021

Tsy mpifahavalo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny sendika, hoy ny minisitr’ity sehatra ity, Marie Michelle Sahondrarimalala, ny sabotsy teo raha nanotrona ny atrikasa lehibe na “symposium”

 voalohany tao anatin’ny 25 taona niarahan’ity minisitera ity sy ny Federasionina sendikalin’ny Sempama tetsy amin’ny Carlton Anosy. Fianakaviana iray ary iray tombontsoa izahay, hoy izy, dia ny fanasoavana sy fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana ka tokony tohizana hatrany, noho izany, izao fomba fiasa izao. Resy lahatra ny tenako sy ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny amin’ny lalan-tsaina izay naroso, indrindra, ao anatin’ny fanatanterahana izao atrikasa lehibe izao. Tanjona tao anatin’izany ny famerenana ny hasin’ny asa fampianarana sy fanabeazana ary koa entina hamaritana sy hijerena hiadiana hevitra amin’ny politikan’ny fampianarana sy fanabeazana ary fiofanana eto Madagasikara. Ny famaritana izany lalana itondrana ny tontolon’ny fanabeazana izany dia mandringa ihany raha tsy ireo mpampianatra mpanabe mivondrona any anatin’ireny rafitra sendikaly ireny no mandray andraikitra sy miara-miasa amin’ny minisitera ary miaraka mikaon-doha. Isan’ny tanjona iraisana dia ny hoe fijerena ny maha olona na ny mety hanatsarana ny fanabeazana sy ireo mpampianatra. Ny mpampianatra no antoka hahafahana manatsara ny tontolon’ny fanabeazana ka mila mahatsapa ho manana anjara andraikitra anatin’izany sehatry ny fanabeazana izany ireo mpanabe ka ilaina mihitsy ny finiavana, fandraisana fanapahan-kevitra hoe mila mandray andraikitra ny mpanabe anatin’itony rafitra itony ka entanina araka izay hitondra ny anjara birikiny ao anatin’izany tontolon’ny fanabeazana izany ny kaonfederasionina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny minisitra Marie Michelle Sahondrarimalala teo anivon’ireo mpitarika ny kaonfederasiona sendikalin’ny Sempama
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT