Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena "Nahavita be ireo tale 3 nandao antsika"


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Araka ny efa notaterina teto dia misaona ny tontolon'ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak'asa; namoy tompon'andraikitra telo ny zoma

 

 

 

1 mey teo noho ny lozam-pifamoivoizana nitranga tokony ho tamin’ny 01 ora tany Andriba PK222+400 [RN4]. Teo aloha ny tale Jeneralin'ny ONCFP (Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle) Ali Imrana, ny Talen’ny ONaPASCOMA (Office National de la Prévention des Accidents Scolaires de Madagascar) Rabe Severin ary ny Talen’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériels Didactiques) Andrianjafimparany Ampy Anders. Nandeha nitarika ny delegasionin'ny Minisitera izay namita iraka tany Antsiranana tamin’ny fiatrehana sy fanaraha-maso ny fiverenan’ireo mpianatra manala fanadinana niditra an-tsekoly moa no nivoahan’izy ireo teto Antananarivo ary hitodi-doha eto an-drenivohitra izy ireo no izao tra-doza izao. Omaly Alahady maraina io no niala tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa ny nofo mangatsiakan’ireo tale mirahalahy dia Itompokolahy Rabe Séverin sy Itompokolahy Andrianjafimparany Ampy Anders. Nandritra ny lahateny natao tamin’izany no mbola nanamafisan’ny Ministra Andriamanana Rijasoa tamin’ny fianakavian’izy ireo fa nahavitabe ho an’ny firenena izy ireo ka tsy hay hadinoina izany. Nizara roa moa ny delegasiona nametraka azy ireo any amin’ny fasan-drazany raha nalefa tamin’ny fiaramanidina kosa ny nofo magtasiakan’Itompokolahy Ali Imrana noho izy tsy maintsy nalevina omaly alahady ihany any Vohemar.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT