Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena “Aoka hajaina ny fahasamihafana”


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Manoloana ny trangan-javatra mandalo mahakasika ny fihetsika tsy mendrika izay nataon’ny mpampianatra nanery tamin’ny fomba tsy mendrika ny mpiadina mpino Silamo hanala ny sarondohany tao amin’ny foibem-panadinana

Lisea Jacques Rabemananjara Toamasina dia nanao fanambarana omaly ny Fiombonamben’ny mpino Silamo ao Toamasina fa manameloka tanteraka ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra, indrindra fa, mahakasika ny zo fototra isitrahan’ny zanak’olombelona. Efa eo am-pelantanan’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany ny toe-draharaha, hoy izy ireo. Manao antsoavo amin’ireo tomponandraikitra mety ho voakasik’izany mba handray fepetra mahakasika ity trangan-javatra ity. Miantso ny vahoaka rehetra mba ho tony eo am-piandrasana ny mety ho tohin’ny toe-draharaha. Mankahery ireo mpianatra manala fanadinana bakalorea manerana ny nosy ary mirary fahombiazana feno ho azy ireo, hoy hatrany ny FMS. Taorian’ity fanambarana ity moa dia teo no ho eo ihany koa ny valin-kafatra avy amin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Dr Marie Michelle Sahondrarimalala, tao amin’ny tambazotran-tseraserany izay naneho an-tsary ny tsy fankatoavany ny zava-nisy. Ny soatoavina Malagasy, hoy izy, dia mametraka hatrany ny fihavanana, ny firaisankina, indrindra, fa ny fitiavana sy ny fiarovana ny kilonga. Averiko eto, hoy izy, ity sary ity hanentanana antsika rehetra tsy an-kanavaka, indrindra, ny mpanabe sy ny mpianatra mba hiaina ao anatin’ny fanajana ny maha samihafa antsika.
J. Mirija
Legende: Miantso fanajana ny maha samihafa kosa ny minisitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT