Fampianarana

Minisitry ny fampianarana ambony “Horaisiko ny Seces !”


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Ny fikarohana dia maro no efa azo ampiasaina avy hatrany eto Madagasikara fa isika no tsy mbola tena mahafantatra tsara, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony vaovao,

 

 

 Blanche Nirina Richard, raha naneho ny heviny mikasika ny maha zava-dehibe ny fihaonamben’ireo oniversite miisa 12 aty afrika mikaroka momba ny fisorohana sy fitantanana ny loza nanomboka omaly talata 30 hifarana anio alarobia 31 jolay etsy amin’ny hotely Colbert. Hataon’ny minisitera laharam-pahamehana ny fampahafantarana ny toeram-pikarohana sy ireo vokatra azo ampiasaina avy hatrany toy itony, hoy izy. Farany teo, ohatra, dia nisy sehatra iraisampirenena nifanakalozan’ny Malagasy tamin’ny any ivelany rehetra. Iarahantsika mahafantatra ny ivontoerana Conficius. Toerana ahafahana mifandray amin’izao tontolo izao ireny, indrindra, ny firenena sinoa. Eo an-dalana ny minisitera amin’izao fotoana izao mitsirika ireo toeram-pikarohana misy ka izay efa mahomby dia hampiana hatrany ary ireo marefo koa dia hamafisina bebe kokoa. Ny asa rehetra vita teo aloha dia hotohizana sy hamafisina. Mikasika ny olan’ny sendikan’ireo mpampianatra mpikaroka dia raisiko ny SECES sampana Antananarivo sy ireo solontenan’ny SECES rehetra, hoy izy, ary aorian’izay no hisy vaovao azo omena bebe kokoa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT