Fampianarana

Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony “Ho mafimafy ny taom-pianarana 2019-2020”


  • Talata 17 Novambra 2020

Taorian`ny fotoan-tsarotra izay nolalovan`ny tontolon`ny fampianarana dia nanapa-kevitra ny fanjakana hanamarika ny fidirana ara-pomba manetriketrika ho an`ny oniversite rehetra mba ho fanomezana aina ny fampianarana sy fikarohana eto Madagasikara.

 

 Tao ao amin`ny renivohitry ny Faritra Boeny no ivon' ny fankalazana ny fidirana ofisialy ho an' ny fampianarana ambony manerana ny nosy omaly. Efa vonona hiatrika ny fampianarana ny ekipan'ny oniversite rehetra manerana ny nosy na dia teo ary ny fahasarotana tamin'ny fiatrehana ny valanaretina teo iny hoy Elia Béatrice Assoumacou, minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES) nandritra ny lahateniny. Namafisiny kosa fa maro dia maro ny adidy miandry ny MESUPRES ka mitaky fahavonona ny fanatanterahana izany noho ny COVID-19. “Mitaky fahavonona isan ambarontonga. Mitaky fanamaroana sy fanamorana ny fampitàna fahalalahana mba ho pedagojia mifanaraka sy mamaly ny filan`ny fampianarana ambony no haroso.” Nitondra ireo teboka samihafa momba ny fanatsarana ny fampianarana hatrany ity minisitra ity toy ny fampiharana sy fanatsaràna ny fampianarana ampitain-davitra sy fampiasàna ny kojakoja sy teknolojia vaovao. Torak`izany ihany koa ny fampandrasaina anjara ny mpianatra amin` ny pedagojia ampiasaina. Mahasika ireo mpianatra 77 000 vao afaka baka kosa dia nambarany fa hisy ny “salon de l`université” amin`ny 23 novambra izao hahafahan` ireo mpianatra ireo misafidy ny lalam-piofanana tiany horantovany. Notsipihany manokana fa “taom-pianarana mafimafy ity 2019-2020 ity satria roa sosona no tsy maintsy harindra noho ny zava misy ary izay mbola atrehina”. Nisongadina tao anatin'ity fankalazana ity ny fitokanana ireo asa vita eto amin'ny Campus Ambondrona - Mahajanga raha tsy hilaza afa- tsy ny laboratoire de la mer, jardin botanique sy ny milina fanodinana menaka ho an'ny “Faculté des sciences”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT